|
|
|
|

Teny iditra1  Teo amin' ny valsa
Singan-teny  2 t~, 3 eo, 4 amy, 5 valsa
Sokajin-teny  6  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo  9 
10  Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho
11  Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao
12  Ary azoko natao ny nioty anao an-taho
13  Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao.

14  Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao
15  Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia
16  Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao
17  Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria,

18  Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko
19  Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko
20  Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria.

21  Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao
22  Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao
23  Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia.

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17